Actualités

Fanony Fulgence «TGV mandeha amin’ny “bois de rose” ny FAT»


  • Alatsinainy 10 Mey 2010

«Ringana ny hazo sarobidy izay be mpitsiriritra sady harena malagasy. Zanak’i Mananara Avaratra sy faritra Ambatosoa aho ka haiko tsara ny momba azy ity”, hoy i Fanony Fulgence nandritra ny fihaonan’ny ankolafy telo amin’ny mpiasa ambony sy mpanao politika tao Toamasina ny sabotsy teo.

Tsy nisalasala ity minisitra taloha nisahana ny fampianarana ity sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert, nilaza ampahibemaso fa “TGV ny mandeha amin’ny ‘bois de rose’ ny fitondrana FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita)”. Nambaran’i Fanony Fulgence hatrany fa “hafa ny didim-panjakana avoaka sy ny mivoaka, hafa anefa ny fampiharana azy satria misy hatrany ny manapaka sy manondrana ary manana fahazoan-dalana mazava ireo mpanao izany avy amin’ny fanjakana FAT”. Tsy nisalasala koa anefa ny tenany nanamarika fa “olon’ny fitondrana FAT no tena manao azy ity, ary ny tena mahavalaka ny saina dia miaramila manamboninahitra no lohany sy manamora ny fanapahana sy famoahana azy ao Mananara Avaratra sy Maroantsetra”. Araka ny fanazavana azo dia miisa dimy eo ireo manamboninahitra tena mikely soroka manampy ireo mpanondrana sy mpanapaka ny hazo sarobidy malagasy ireo. Ny andro alina no fanaovan’izy ireo ny “opération” ka eny an-dranomasina ihany no atao ny fanondranana sy fanaterana ny hazo amin’ireo mpividy sy ny mpanondrana ary ny mpitatitra azy. Manodidina ny 1.000 hatramin’ny 1.500 ariary ny amarotan’ny mpanapaka azy ity ny iray kilao amin’ny mpanondrana “bois de rose”, nefa ny bolabola iray efa misy mahatratra iray taonina.

Mahatratra dimy alina ka hatramin’ny enina alina ariary kosa ny iray kilao hamarotan’ny mpanondrana “bois de rose” azy any ivelany. Hentitra noho izany i Fanony Fulgence fa “raha voafehy eto amintsika sy any ivelany ny famarotana sy ny fanapahana ity bolabola ity, ho faty an-dalana io fitondrana TGV mandeha amin’ny afo kitay bolabola io. Mameno paosy amin’ny fitrandrahana sy fanapahana ary fanondranana bolabola no mampifikitra azy eo amin’ny fitondrana”. Amin’ny maha “Anthropologues” an’i Fanony Fulgence, dia nambarany fa harena nomen-janahary ny Malagasy ny bolabola na “bois de rose”. Zato taona mantsy raha haingana indrindra vao azo kapaina sy lehibe izy ireny, ary raha ireny no anaovana fanaka na trano na fahatsiarovana dia maharitra ela be tokoa amin’ny maha hazo mafy sy maharitra azy.

Sary : Fanony Fulgence

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT