Manodidina ny 500 ariary hatramin’ny 2 alina ariary ny fanontana ny alimanaka iray amin’izao fotoana izao. Samy mampanao azy io avokoa moa na olon-tsotra, na fianakaviana fa indrindra indrindra ny orinasa
. Ny volana aogositry ny taona hitsahana matetika dia efa manao kaomandy amin’ny fanontana izany ny mpanjifa, hoy ny mpitantana ireo trano printy. Nihisatra mba tsy ilazana fa ratsy ny tsena hoan’ny taona vaovao 2017. Tsy tratra mantsy ny fetra fanamboarana kalandrie miisa 1.000 isan’andro toy ny isan-taona tamin’ity indray mitoraka ity, araka ny fanazavana avy amin’ireto farany. Manafatra taratasy milanja 24 taonina isan-taona ny trano printy iray amin’ny ankapobeny. Tsy nihoatra ny 10 taonina anefa hatreto ny akora nampiasaina raha ny antontanisa hatramin’ny 31 desambra 2016, izany hoe nilatsaka hatrany amin’ny 59% be izao ny tinadin’ny fanjifana alimanaka eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy amin’izao fanombohan’ny taona 2017 izao, raha ny kajy tsotsotra.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.