Liana ary nandray andraikitra ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalŕmpanorenana omaly nandritra ny fihainoana ireo mpisolovava ny Solombavambahoaka sy ny an’ny Filoham-pirenena. Andrasana noho izany ny didim-pitsarana. Araka ny fantatra dia hivoaka amin’ity herinandro ity ihany ny didim-pitsaran’ny HCC.
« Misaotra anareo mpisolovava ny roa tonta izahay ato amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny fanazavana nomenareo ary hisintona izahay aloha handinika ». Io no nambaran’Atoa Rakotoarisoa Jean Eric, filohan’ity andrim-panjakana ity raha namarana ny fotoam-pitsarana omaly teny Ambohidahy ny tenany momba ny fitoriana napetraky ny Solombavambahoaka mitaky ny fampiatoana ny Filoham-pirenena Hery Rajaoanarimampianina amin’ny asany. Tamin’ny 10 ora sy fahatelony teo no nanomboka ny fotoana raha niditra ny efitrano fitsarana ireo mpikambana sivy mianadahin’ny HCC. Hentitra ny fitandroana ny filaminana teny Ambohidahy
Heloka Fito
Mpisolovava efatra dia ny Me Rakotondravony Tahiana, Me Ranarivelo, Me Randrianjafinony Solange ary Me Maromanana no nisolo vava ny Solombavambahoaka raha i Me Rakotomanga Richard sy i Me Andriamorasata Sahondra kosa ny an’ ny Filoham-pirenena. Tonga nanatrika ity fotoam-pitsarana ity ihany koa ireo Solombavambahoaka nanao sonia ilay fampiatoana ny Filoha amin’ny asany, tsy nisy tonga kosa ny an’ny an-daniny.
Ho fanohanana ny fitakiana ny fampiatoana ny Filoha amin’ny asany dia lohahevitra miisa fito no nentin’ireo mpisolovava ny Solombavambahoaka hanamarinana ny fandikan-dalàna nataon’ny fitondrana dia ny tsy nananganana ny Haute Cour de Justice, izay notakian’ny andalana faha-167 ny lalàmpanorenana, ny tsy fanajana ny maha laika ny fanjakana malagasy araka ny andininy voalohany sy faharoa ny sava ranon’ando, sy ny andininy faha-168 izay mamaritra ny andrim-panjakana tokony hanao ny fampihavanam-pirenena. Ny Fahatelo dia ny tsy famoahan’ny Filoham-pirenena ara-potoana ho didy ireo lalàna miisa 27 sy ny tsy mbola namoahana ho didy ny lalàna telo hafa izay mahakasika ny firafitry ny fomba fiasa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nomarihin’ireo mpisolovava ny Solombavambahoaka fa «Jurisprudence» io satria tranga efa nanonganana ny Profesora Zafy Albert tamin’ny 6 septambra 1996. Lohahevitra faha dimy ny tsy fahaizan’ny fanjakana tarihin’Atoa Filoha manavaka tsara ny fahefana telo mitondra ny tany sy ny firenena ka noraisina ohatra tamin’izany ny fibaikoany ireo Solombavambahoaka sy ny fampidirana amin’ny sehatry ny fitantanan-draharaha rehetra ny antokony dia ny HVM izay raran’ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana sy ny fitsabahana amin’ny asan’ny Ceni-T amin’ny fikarakarana fifidianana. Fahenina ny fisolokiana teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika momba ilay sonian’ny Solombavambahoaka miisa 64 nambara fa manohitra ny fanonganana azy kanefa sonia nanaovana fanambaram-pahatongavana tamina fivoriana no natovana tamin’ilay fiarovan-tenan’ny Filoham-pirenena. Voaresaka ihany koa ny fisolokiana ny anaran’ny Solombavambahoaka Jean Martin voafidy tany Vohibato Fianarantsoa izay nolazaina fa tsy nanao sonia ny fampiatoana ny Filoha tamin’ny asany kanefa dia nanao taratasy nanamarina ity Solombavambahoaka ity fa nanao sonia an-tsitrapo ny tenany ary nijoro teo anatrehan’ny HCC izy omaly nanamafy izany. Ny fahafito farany dia ny fanosihosena ny andininy faha-73 ny lalàmpanorenana manambara ny zo tsy azo ikitikitihana ny Solombavambahoaka raha tsy nahazoana alalana tamin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena.
Fitoriana tsy nanara-dalàna
Ho fiarovana ny Filoham-pirenena kosa dia nanambara ny mpiaro azy fa tsy tokony hahefa an’ity raharaha ity ny HCC raha araka ny làlàna 2014/043 izay manambara fa ny Haute Cour de Justice no tokony hitsara ny raharaha. Nambaran’ny mpiaro ny Filoham-pirenena ihany koa fa tsy nanaraka ny fepetra tokony ho notanterahina rehetra ny Solombavambahoaka nanao ity fitoriana sy fitakiana ity satria tsy tokony ho mpitory izy ireo, araka ny voalazan’ny lalàna, fa mpitatitra ny fitoriana ataon’ny fikambanana ivelan’ny Antenimieram-pirenena. Tsy nisy hoy ny mpiaro ny Filoha ny “commission d’enquête” sy ny “commission de requite” notakian’ny lalàna fa nodinganina daholo ireo ka izany commisison Ad-hoc izany no nasolo azy izay tsy hita n’aiza n’aiza ao anatin’ny fehezan-dalàna. Nanambaran’ireo mpisolovava ny Filoha ihany koa fa tsy nisy taratasy nanome alalana ny Ffkm nataon’ny Filoham-pirenena hanao iny fivoriana fampihavanam-pirenena iny ka tsy mitombina ny tsy fanajana ny maha laika ny firenena malagasy, ary momba ny raharaha Solombavambahoaka Lanto Rakotomanga dia tsy tafiditra ao anatin’ny taratasin’ady intsony iny satria tranga efa taty aorian’ny nametrahana ny fitakiana fampiatoana.Tsy misy fitsinjovana ny vahoaka ity fitoriana ity, hoy ny Me Rakotomanga Richard fa fanehoana ny fitiavan-tenan’ny Solombavambahoaka fotsiny ka tsy tokony hotsaraina eto anivon’ny HCC. Nasian’ny mpiaro ny Filoha teny ihany koa ny mbola nandraisan’ny Solombavambahoaka Houssene Abdallah sy Razafindrafito Lova anjara tamin’ny latsa-bato nampiatoana ny Filoha kanefa izy ireo efa voatendry ho mpikambana ao amin’ny Haute Cour de Justice. Mahakasika ny tsy famoahana didy ny lalàna voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena indray dia nanambara ny mpiaro ny Filoha fa tsy azo anenjehana azy izany satria tsy maintsy mandalo eny amin’ny HCC ka mety hisy fahatarany.
Fanonganam-panjakana
Tamin’ny fehin-teny farany moa dia nanambara ny mpisolovava ny Solombavambahoaka fa matoa efa misy ny fifanakalozana ny taratasin’ady dia efa mandeha izany ny raharaha. Momba ny Solombavambahoaka Houssene Abdallah sy Razafindrafito Lova ary ny lalàna 2014/ 043 izay momba ny Haute Cour de Justice dia nanambara ny mpiaro ny Solombavambahoaka fa rehefa napetraka amin’ny fomba ofisialy ny Haute Cour de Jusitce vao azo lazaina fa misy ka afaka miasa. Ho an’ny fehin-tenin’ny mpiaro ny filoha kosa dia nanamafy izy ireo fa Fanonganam-panjakana ataona andrim-panjakana no miseho ka tsy azo ekena ary tsy tokony ho efan’ny HCC.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.