Actualités

“Fanonganam-panjakana” Namalam-peo indray ny fitsarana


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Voatery nahemotra ny fitsarana manoloana ny tsy fahatomombanana teo amin’ny paik’ady heloka bevava. Izany dia mahakasika ny raharaha izay mifandraika amin’ny fikasana haka an-keriny ny lapan’ny Praiministra ao Mahazoarivo tamin’ny volana aprily 2010 lasa teo, izay nahavoasambotra miaramila sy miaramila taloha marobe ary sivily vitsivitsy.

Nisy lietnà kolonely roa, ny iray miasa eo anivon’ny primatiora ary ny faharoa kosa eo anivon’ny RM1 voatonona hatrany nandritry ny fanadihadiana ifotony natao tamin’ireo olona 21 izay nosamborina tamin’io raharaha io. Izy ireo anefa dia voalaza fa tsy fantatra ny momba azy ary tsy fantatra akory ny fisiany. Najanon’ny mpitsara mpanao famotorana, araka izany, ny fanenjehana azy ireo noho ireo antony ireo. Omaly indray, nandritry ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava tsotra, dia nivoaka tampoka fa fantatra izy roa lahy, fantatra ny anarany ary fantatra hatramin’ny toeram-piasan’izy ireo aza.

Nisongadina ihany koa teo fa izy roa lahy ireo no tena atidoha nikotrika ny raharaha. Manoloana an’izany zava-baovao izany dia nangataka ny fanemorana ny datim-pitsarana ny fitsarana ady heloka bevava tsotra. Nolavin’ity ambaratongam-pitsarana ity ihany koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ireo olona 21 voampanga. Raha hiverenana ny zava-nitranga izay nahavoarohirohy ireto olona ireo dia niainga tamin’ny fivorivorian’ireo tetsy Ambohijanaka tamin’ny 18 aprily 2010. Nalaina teny Mahamasina ny maro tamin’ireo ary notaterina tamin’ny 4X4 nanketsy Ambohijanaka. Nisy nahatsikaritra izany ka niantso ny FIS izay nanara-dalàna ary nanao ny fisamborana avy hatrany. Misy tamin’ireo olona no nilaza fa tsy mahalala akory izay hatao marina any Ambohijanaka, fa nisy nilaza fotsiny fa misy asa atao, dia tonga dia nanaraka noho ny tsy fisian’ny vola. Mety azo heverina araka izany ny mety hisian’ny fitaka tao anatin’ny raharaha, ary tsy azo lavina ihany koa fa mbola tsy nandeha akory ny fivoriana, tsy fantatra izay tena votoatin’ilay fihaonana. Ankehitriny anefa ireo olona izay efa notanana tany Tsiafahy hatramin’ny aprily lasa teo, dia mbola mety hahazo ny sazy henjana koa. Rariny ihany izy ireo raha namoaka ny momba ireo lietnà kolonely roa izay tena atidoha nikotrika kanefa dia najanona fotsiny amin’izao ny fanarahana azy ireo.
 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT