Ny alarobia 15 novambra teo dia nisy olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy noho ny fanondranana ankizivavy Malagasy mankany Sina, raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena.
Nitaraina izy ireo fa ampanambadiana lehilahy sinoa ireo ankizy ireo ka rehefa teraka dia alain’ilay sinoa ny zanany, avy eo ampijaliany ilay reniny ka miafara amin’ny famoizan’aina. Tsy vitsy ireo ray aman-dreny mijaly ara-tsaina amin’ny fahoriana mahazo ny zanany ka nahatonga azy ireto nametraka ny fitoriana. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy avy eo anivon’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées (SCES) dia lehilahy iray no voasambotra tao an-tranony teny Ambohimirary. Mbola nahitana vehivavy roa tao an-tranony saika haondrana. Nandritra ny famotorana azy dia niaiky izy fa mpiray ombon’antoka amin’ilay tena mpandefa. Mbola mampiasa hosoka ireo mpanondrana amin’ny alalan’ny fampiakarana ny taonan’ireo tovovavy alefa, raha ny fanamarihana voaray. Raha vehivavy 18 taona dia ataon’izy ireo 24 taona. Maro ireo tambajotra eto Madagasikara manao io asa famarotana zazavavy Malagasy mankany Sina io, ary efa misy vehivavy Malagasy mpandray ireo amidy any an-toerana. Io farany no mandray ny vola alefan’ny mpandray ireo vehivavy. An-tapitrisany ny vola azony amin’izany. Efa natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Lasa mampihoron-koditra ny fitobahan’ireo trafika hafahafa idirana teratany vahiny eto amintsika tato ho ato.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.