Nandeha ny feo tato ho ato fa mihavitsy ny omby miakatra eto an-drenivohitra, noho ny fisian’ny fanondranana omby velona mankany ivelany.
Mbola antony mampiakatra ny vidiny eny an-tsena ihany izany ka mampitaraina fatratra ny mpanjifa. Nambaran’Andriamatoa Mandrano Julien, sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fiompiana anefa fa tsy nisy intsony ny fanondranana omby velona teto amintsika hatramin’ny taona 2012 no ho mankaty. Raha misy, hoy izy ireo abatoara lehibe te hiroso amin’izany dia tsy maintsy mamokatra izy, izany hoe mampiteraka omby, manana ivontoerana hahafahana manao izany ihany koa izay vao ekena. Mikasika ny fiakaran’ny vidin’ny henan’omby indray dia nambarany fa toy ny fiakaran’ny vidin’entana rehetra io satria mbola mahatratra 500 ka hatramin’ny 600 isa isan’andro hatrany ny omby miakatra eto an-drenivohitra. Nanatanteraka tomban’ezaka sy nifanakalo traikefa tetsy Antaninarenina omaly ireo tale rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny fiompiana manerana ny Nosy. Nivoitra nandritra izany ny fijerena akaiky ny momba ireo mpiasa maty mila misolo ankoatra ireo tokony homena fiofanana manokana hakarina ho teknisianina hahafahana manatsara ny fomba fiasa. Teo ihany koa ny fampahafantarana ny fanoloana ny “direction” ho lasa “circonscription de l’elevage” izay efa miisa 45 ankehitriny ankoatra ny fanofanana ireo efa manana traikefa ho “Officier de police Judiciaire” izay efa misy dokotera veterinera miisa 25 ankehitriny miaraka amin’ny dokotera mikasika ny biby miisa 25 ihany koa. Hifarana anio ny atrikasa mifandraika amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.