Actualités

Fanondranana olona sy fanararaotana ara-nofo Nokianin’ny Amerikanina ny mpitondra eto


  • Alakamisy 29 Jona 2017

Nivoaka ny tatitry ny Amerikanina momba ny resaka fanondranana olona an-tsokosoko, izay tena vely kanonta ho an’ny fanjakana sy ny mpitondra eto Madagasikara.

Nahenan’ny fitondrana ny ezaka hitoriana sy hiampangana ireo nahiana ho nanondrana olona an-tsokosoko, raha ny tatitra. Na dia teo aza ny fitombon’ny tatitra nilaza fa nisy tompon’andraikitra niray tsikombakomba nandritra ny taona, dia tsy nisy ny manampahefana nadinina tamin’izany, ary tsy nisy ny fanadihadiana natao mikasika ny tatitra nilaza fa nisy manampahefana nanamora ny fanondranana zaza tsy ampy taona hararaotina ara-nofo. Tsy mbola ampy ny lamina ofisialy nananan’ny fitondrana hamantarana haingana ireo niharan’ny fanondranana olona an-tsokosoko teo anivon’ireo mponina marefo … Nahena ihany koa ny ezaka nataon’ireo mpampihatra ny lalàna hiadiana amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko, ary nitombo kosa ny isan’ny firaisana tsikombakomba. Tsy nomen’ny fitondrana loharanom-bola ny birao nasionaly miady amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko, ilay birao voatendry hitarika ny ezaka manerana ny firenena, hanaitra ny sain’ny mponina, na hampihatra ilay laminasam-pirenena. Nivarina ho ao amin’ny lisitra arahi-maso sokajy faha-2 i Madagasikara. Voalaza ao amin’ny Lalàna lah. 2007-038 hiadiana amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko anefa ireo sazy ho an’ny fanondranana olona an-tsokosoko hararaotina ara-nofo, miainga amin’ny fanagadrana roa taona hatramin’ny mandra-pahafaty. Ny lalàna Lah. 2014-040, izay nanomboka nanan-kery tamin’ny taona 2014, dia nanitatra ny fampiharana ilay lalàna tamin’ny taona 2007 hiadiana amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko sy mandrara ny endrika rehetra isehoan’ny fanondranana olona, ka tafiditra ao ny fanararaotana mamoafady, ny fanondranana olona hiasa, ny asa an-tery, ny fanerena hangataka, ary ny fanerena hiasa handoavana trosa. Miainga amin’ny fanagadrana 2-5 taona sy ny onitra iray 1-10 tapitrisa Ariary, sy ny sazy henjana kokoa 5-10 taona an-tranomaizina sy onitra 2-10 tapitrisa Ariary ho an’ny fanondranana zaza tsy ampy taona an-tsokosoko.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT