Actualités

Fanondranana olona mankany “Moyen orient” Vehivavy no atidohany


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Rava ny tambajotra mpandefa na mpanondrana vehivavy ho any Moyen Orient na any amin’ireo firenena arabo.

Araka ny fantatra dia vehivavy antsoina hoe Andrianjanaka Odile na i Neny no atidoha mikotrika ity asa fanondranan’olona ity ary angalany 1.300.000 ariary ireo vehivavy mifampiraharaha aminy. Ny alarobia teo no tratra raha nanao fizaham-pahasalamana teny Ambohipo ny 2 tamin’ireo vehivavy saika hiondrana, raha ny fanazavana, ary ireo indray avy eo nitarika tany amin’ny fahatrarana an’i Neny sy ny lehilahy 1 mpamiliny ary vehivavy 1 hafa saika hiondrana any Koweit ihany koa. Efa eny amin’ny fampanoavana etsy Anosy moa, raha ny vaovao farany ny raharaha mikasika azy 5 mianadahy ireto. Efa tena ratsy laza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ity resaka fanondranan’olona ity moa i Madagasikara ary voakiana mafy ny fitondram-panjakana tsy nanokana tetibola hiadiana aminy. Mialokaloka ao amin’ny hoe fanomezana asa ireo olona sy orinasa mpanao ny trafika, matetika anefa tena zavatra hafa mihitsy efa tena fanandevozana tsotra izao no manjo an’ireo vehivavy tonga any amin’ilay firenena. Giazan’ny mpampiasa avy hatrany ny pasipaoro ary voara-maso akaiky ny fifandraisana amin’ny fianakaviana aty Madagasikara.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT