Actualités

Fanondranana olona an-tsokosoko Malagasy roa voasambotra atsy Mayotte


  • Talata 25 Aogositra 2015

Ny eo tratra, ny hafa misisika hatrany ! Tsy hay tohaina ny firongatry ny mpitsoa-ponenana miondrana an-tsokosoko mankatsy Mayotte

 

, nosy izay miankina amin’i Lafrantsa. Raha ny filazan’ny gazety Mayotte Matin izao dia nisy 10.000 no tratra saika hiditra an-tsokosoko tany Mayotte ka naverina tany amin’ny firenena niaviany, izay Kaomaorianina sy Malagasy ny ankamaroany. Ny avy eto Madagasikara dia vao nisy 12 indray tratra tamin’ny zoma 21 aogositra teo. Nentina tamin’ny sambokely mirefy 9m, niala avy any Nosy-Be izy ireo, namakivaky ranomasina 330km no saron’ny polisy mpiaro ny sisintany mahorey teny afovoan-dranomasina. Nahitana fonosana rongony milanja 50kg niaraka tamin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy mahorey azy ireo no nahalalana fa 2 tapitrisa Ariary (700 euros) isan’olona no saran’ny fanondranana. Naverina aty Madagasikara izy 12, notazonin’ny polisy hanaovana fanadihadiana kosa ireo 2 lahy nitondra azy ireo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT