Actualités

Fanondranana lodsia Izay no vita !


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010

Tsy naharitra roa herinandro akory, dia tapitra ny fanondranan’ny Malagasy ny lodsia 17.500 “palettes”, hany fatra azon’i Madagasikara tamin’ny vondrona Rungis any Frantsa tamin’ity taona 2010 ity.

Efa lasa avokoa ireo sambo roa tonga naka ireo lodsia 17.500 “palettes” ireo, dia ny sambo “Hansa Stockholm” sy ny sambo “Hansa Visby” izay farany lasa ny sabotsy teo. Ho an’ny mpanondrana ihany koa dia efa naka aina sy miandry ny vola azo tamin’ny fanondranana ny lodsia, izay mazàna ny volana janoary ny taona miditra no fakana azy any Frantsa eo anivon’ny vondrona “Rungis”. Orinasa 03 sy 04 sisa no mbola manohy hatramin’izao, mifampizara ilay fatra 1.000 taonina izay haondrana kosa amin’ny alalan’ny “container frigorifique” indray, ka ny faritra Azia sy Arabo no tena hanondranana azy, arakaraka ny tolo-barotra azon’ireo mpanondrana kosa. Ho an’ireo mpanangom-bokatra, izay tena vitsy fa tsy nihoatra akory ny 600 tamin’ity taona ity, dia ny fanenjehana ny sambo voalohany no mbola maro no nanao ny fanangonana ny lodsia, nihena an-dalana izany nandritra ny sambo faharoa.

Tsy nisy niditra fantiatoka aloha ny mpanangom-bokatra tamin’ity taona ity, satria ny nanodidina ny 30 na 50%-n’ny vola nampiasaina ny tombony, arakaraka ny toerana nakana ny lodsia sy ny orinasa nampidirana izany, izay nanodidina ny 10.000 ariary hatramin’ny 12.000 ariary ny kesika 15kg, raha maka izany eo amin’ny 4.000 ariary hatramin’ny 5.000 ariary any amin’ny tantsaha izy ireo, ankoatra ny tamberim-bidy sy ny hofan’ny fiara. Tapitra hatreo izany ny taom-panondranana lodsia ho antsika amin’ity taona 2010 ity, ny tsena anatiny indray izany izao no hitobahan’ny vokatra. Raha ny vidiny eny an-tsena dia manodidina ny 2.000 ariary ny iray kilao ankehitriny; mbola ireo lodsian’ny faritra Analanjirofo no mbola mameno ny tsena izao, fa mbola an-dalam-pahamasahana kosa ny faritra anatiny sy ny faritra Mangoro ankehitriny.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT