Actualités

Fanondranana «héroďne» ao Maorisy Nafenina tanatin’ny kibon’ilay Malagasy ny fonosana 37


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Mateti-pitranga ity fanondranana «héroďne» ao amin’ny nosy Maorisy ity. Efa maro ihany koa ny Malagasy voasambotra tany rehefa voarohirohy tamin’ny raharaha toy izany.

Mbola maro ihany koa ireo mahasahy manondrana satria volabe ny vidin’izy ireny ao amin’io nosy rahavavy izay voalohany amin’ny fihinanana zava-mahadomelina eto Afrika ary anisan’ny dimy voalohany maneran-tany. Saron’ny Anti-Drug and Smuggling Unit (ADSU), sampana miady amin’ny zava-mahadomelina any an-toerana, ny Malagasy iray antsoina hoe R.N ny aogositra lasa teo rehefa nanafina ireo fonosana héroïne 37 fonosana tao an-kibony. Tsy tratra izy teny amin’ny seranam-piaramanidina isan-karazany saingy ny olana indray dia tsy tafavoaka tao an-kibony ireo “entana” nandritry ny 42 andro. Rehefa izany dia voatery niantsoana dokotera ary teo no nampivoaka ny tsiambaratelo. Henon’ny ADSU ihany ny zava-nitranga. Fantatra ary fa nosamborina koa ilay dokotera. I R.N kosa dia voatery nodidiana ary mety atahorana ny ainy satria efa ela loatra no nitohana ny vatany. Ankoatra izay koa, niharan’ny daroka izy rehefa tsy nino ireo mpiray afera aminy hoe tsy tafavoaka tao an-kibony ireo entana. Izany hoe noheverin’ireo fa efa namidiny. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT