Tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 no tena nampalaza ny fanondranana ny hazo sarobidin’i Madagasikara. Hazo sarobidy tahaka ny andramena sy voamboana an-jatony no nolazaina fa tapaka isan’andro tamin’izany.
Tafiditra nijery ny valanjavaboarin’i Madagasikara mihitsy aza moa ireo mpandraharaha vahiny tamin’izany fotoana. Nanomboka ny fanimbana sy fandringanana ny hazo sarobidin’ny Malagasy. Fantatra fa ny 98%-n’ireo hazo naondrana an-tsokosoko dia lasan’ny sinoa avokoa. Ny 2% ambiny dia alefa any Eoropa sy Amerika. Niteraka resabe ihany koa ilay Andramena tsy ara-dalàna nalefa tamin’ny sambo Maersk Vilnius avy aty Madagasikara nankany Singapour. Hatramin’izao anefa dia tsy hita mazava izay niafaran’ireny raharaha rehetra ireny. Misy aza moa olona hafa firenena sahy mijoro vavolombelona mihitsy ny amin’ny fahatongavan’ny hazo sarobidy tany aminy tamin’ireny fotoanan’ny tetezamita ireny. 1000 kaontenera ny andramena tonga avy any Madagasikara, araka ny nambarany. Ny vidin’ny iray kaontenera anefa dia 45 000 dolara, izany hoe mahatratra hatrany amin’ny 45 tapitrisa dolara ny vidin’ny andramena tokony ho niditra tamin’izany. Etsy an-daniny, lafon’izy ireo 650 000 hatramin’ny 800 000 dolara ny fandriana iray vita amin’ny andramenan’ny Malagasy. Fa nankaiza sy natao inona daholo ireo vola be azo tamin’izany ? Maninona ny fitsarana no moana tsy mahaloa-peo intsony ? Sa efa atao tahaka ny mahazatra ny famotorana dia avy eo anefa tsy misy tohiny intsony ? Tsy nisy akony tamin’ny ativilanin’ny Malagasy ny fandafosana ny hareny fa olom-bitsy hatrany no nitavana ny harem-pirenena.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.