Actualités

Fanondranana hazo sarobidy Manao tohivakana


  • Alakamisy 18 Novambra 2010


Tsy tana fa dia manao tohivakana ny fanondranana hazo sarobidy ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ao. Raha ny fantatra izao, nisy sambo niainga omaly alarobia vao mangiran-dratsy, ary misy sambo hafa indray efa hiainga. Ny fanampim-baovao azo dia miainga avy any Mampikony any, nalaina tao amin’ny tandavanalan’i Bongolava ireto hazo sarobidy ireto, izay voamboana ny ankamaroany. Raha kely dia folo kamiao isan’andro no tonga ao Mahajanga ao ary toerana iray ao Manapatanana lalana mihazo an’Amborovy no anobiana azy ireo sy ampidirana azy anaty kaontenera mialoha ny hiondrany amin’ny sambo mihazo an’i Azia, any Chine indrindra indrindra. 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Sambo mitondra hazo sarobidy miala ao Mahajanga

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT