Actualités

Fanondranana boaderozy ao Maroantsetra Manomboka fantatra ireo atidoha


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

Ela ny ela fa izao angamba vao tena ho vaky ambatolampy amin’izay ny trafika na boaderozy any Maroantsetra ary mety hivoaka an-karihary amin’izay ny tena be vozona amin’ny fanondranana an-tsokosoko ity hazo sarobidy ity eto Madagasikara.

 


Ny alahady teo dia nisy fanadihadiana nataon’ny mpanao gazetin’ny Radio France Internationale (Rfi) izay mitatitra disadisa eo amin’ny mpiaro ny tontolo iainana any Maroantsetra sy ny mpanondrana an-tsokosoko ny boaderozy. Voatonona amin’izany ny lehilahy iray antsoina hoe Armand. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’Atoa Rakotomalala Clovis anefa dia tsy meloka amin’ny fanendrikendrehana azy Armand na tamin’ny famakiana bantsilana tamin’ny alalan’ny facebook ny zava-nitranga any Maroantsetra na ny fitsabahany amin’ny raharaha fanondranana boaderozy ity lehilahy voatonontonana ity fa nanambara kosa Atoa Clovis Rakotomalala fa efa nandray fampitahorana an-karihary avy tamin’ireo tena mpanao ny afera ka na miray petsapetsa aminy na mangina fotsiny na vonoiny raha miana-kendry. Tsy nangina anefa i Clovis Rakotomalala fa nilaza ny zavatra fantany tamin’ny mpanao fanadihadian’ny Rfi. Niely eran’izao tontolo izao iny fanambarana nataon’ity mpiaro ny tontolo iainana ao Maroantsetra iny ka dia anjaran’ny mpanao fanadihadiana malagasy izany no miditra an-tsehatra raha tena mahasahy. Anisan’ny tsy mamparisika ny mpamatsy vola vahiny hanampy antsika Malagasy mantsy ny tsy fahafehezantsika an’io fanondranana an-tsokosoko ny boaderozy io, asa na tahotra satria matanjaka loatra ny mpanao fanondranana an-tsokosoko na ny finiavana mihitsy no tsy ampy. Soa ihany, hoy ny mpanao fanadihadiana tao amin’ny onjam-peo Frantsay Rfi fa efa nisy ny ezaka nataon’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo hanangana ny fitsarana manokana hitsara ny raharaha boaderozy sy ny halatra harem-pirenena hafa toy ny volamena ny vatosoa, eny hatramin’ny afera na taolam-paty fa dia ho hita eo izay tohiny.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT