Herinandro lasa izay dia nanome fankatoavana fanondranana andramena na «bois de rose” ny praiministry ny FAT, Camille Vital, araka ny vaovao nampitain’ny www.mongabay.com.16 tapitrisa dolara eo ho eo no sandan’izany andramena izany.
Hazo norobaina tamina valan-javaboary ireo aondrana nomena fahazoan-dalana ireo, na dia efa nisy fotoana efa namoahana didy aza fa voarara ny fanondranana hazo sarobidy. Araka ny vaovao dia nandefa taratasy ho an’ny mpitantana ny orinasa Delmas ny praiministra FAT. Taratasy mirakitra fanomezan-dalana fanondranana “bois de rose” miisa 79 kaontenera avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Orinasa frantsay (Marseille) misahana fitaterana moa ny Delmas izay efa voatsikera mafy tamin’ny taon-dasa momba ity resaka fanondranana “bois de rose” ity ka raha vao naharay ilay taratasy fahazoan-dalana ny 11 mey 2010 dia nanontany hevitra tamin’ny masoivoho frantsay ny 18 mey ny amin’izay hanaovana ny fanondranana. Nanolo-kevitra ny Delmas tsy hanao izany anefa ny ambasadaoro frantsay, araka ny vaovao, noho ny tahotra amin’ny tabataba eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ny 20 mey, araka ny vaovao navoakan’ny tranokala mongabay.com ihany dia niantso kaompaniam-pitaterana hafa indray ny ministry ny vola eo anivon’ny FAT, dia ny Seal/Pacifique Lignes internationales. Nanaiky ity farany ka niainga tao Toamasina ny sambo Bonna Terra ny 6 jona 2010. Araka ny vaovao dia tsy fantatra ny toerana nandefasana ireo andramena ireo, fa ny ankamaroan’ireo mpanjifa voasoratra tanatin’ny ‘manifeste’, taratasy firaketana, dia saika any Chine avokoa. Anisan’ireny ny China Tushu Shanghai Pudong Import & Export Corporation, Shanghai Tan Tan Trade Co Ltd, Dalian Rising International Trading Co, High Hope International Group Jiang Knit Wear & Home Textiles Import & Export Corporation Ltd, Shanghai Tan Tan Trade Co Ltd, Jiangsu Bosheng International Freight & Forwarding Co Ltd, China Meheco Traditional Medecines and Health Products Import and Export Corp., sy Shanghai Tan Tan Trade Co Ltd. Raha ny vaovao navoakan’ny mongabay.com ihany dia mpandraharaha Malagasy maromaro no namarotra ireo hazo sarobidy ireo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.