Actualités

Fanondrana hazo sarobidy 120 kaontenera indray no hiainga


  • Talata 16 Novambra 2010


Mitodika ao Mahajanga indray ny mason’ny maro amin’ity fanondranana tsy ankiato hazo sarobidy malagasy ity. Araka ny fantatra izao dia hisy sambo ho avy indray amin’ity herinandro ity, ka rahampitso alarobia 17 novambra raha tsy misy ny fiovana no hiantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny sambon’ny kaompania MSC (Mediterranean Shipping Compagny), voatonona ho mpitatitra ireo kaontenera voasesika hazo sarobidy miainga ao. Araka ny fantatra dia kaontenera miisa 120 no hiainga manaraka eo. Voasesika voamboana na palissandre avy any Port-Berger, Faritra Sofia, izy ireo raha ny loharanom-baovao ihany. Any Andapa, mikasika ity raharaha ity ihany, dia miraviravy tanana ny mpiasan’ny rano sy ny ala, andaniny mena ambanin’ny mena ankilany mahazo fandrahonana ho faty ataon’ireo mpitrandraka ala antsokosoko. Ho ritra ihany ny ala atsinanana raha izao no mitohy. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT