Actualités

Fanomezana taratasy ara-panjakana Hiatrika fanovana goavana i Madagasikara


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Zava-dehibe ho eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny fanoratana ny anarany eo am-pahaterahana, ny fahazoany kopia ary ny fananana ny kara-panondro rehefa feno taona.

 

Ao anatin’ny tetikasa goavana fanatsarana ny fikarakarana ny taratasy amin’ny maha olom-pirenena sy ny fametrahana antontan’isa mahasika izany ny kontinanta Afrikanina amin’izao fotoana. I Madagasikara manokana dia efa nahavita ny fanadihadiana nasionaly momba azy io. Notanterahana teny amin’ny hotely Carlton Anosy omaly ny atrikasa fanaovana tomban’ezaka sy fankatoavana azy. Nambaran’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier fa fototra iorenana tetikasa momba ny fanangonam-baovao sy fanomezana mari-pamantarana ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy ao anatin’ny 10 taona ity fanadihadiana vita ity. Tsy maintsy apetraka ny lalàna hahafahana manatanteraka ny asa. Nanambara kosa ny solontenan’ny Unicef fa zo fototry ny ankizy ny voasoratra anarana sy mahazo kopia eo am-pahaterahana. Manohana hatrany ny governemanta Malagasy  amin’ny fanatanterahana izany izahay, hoy izy. Tanjona ny hahafahan’ny Malagasy tsirairay avy misitraka feno ny vaovao  momba azy rehetra, ny fananany antontan-taratasy sy antontan-kevitra ara-panjakana momba azy mialoha ny taona 2027. Nahatratra149 ireo mpandray anjara nahitana tompon’andraiki-panjakana ambony, solontenan’ny minisitera sy ireo sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny, ny firaisamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Marihina fa nisy ny komity nitambarana minisitera maromaro niaraka tamin’ny CRVS (Civil Registration and Vital Statistics) no nanatanteraka ny asa momba ity fikarakarana ny fanoratana ny maha olom-pirenena ity, teo ihany koa ny fanampiana avy amin’ny tany afrikanina momba ny fampandrosoana sy ny Unicef ary ny Vaomiera ara-toekarena momba an’i Afrika eo anivon’ny firenena mikambana (UNECA  ).


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT