Actualités

Fanomezana tany ny vahiny Tsy ekeko, hoy i Michelle Ratsivalaka


  • Zoma 15 Desambra 2017

Taorian’ny nanoherany ka tsy nandaniany irery tamin’ireo depiote 40 tonga nivory niaraka taminy teny Tsimbazaza ny 8 novambra teo an’ilay volavolan-dalàna lah.018/2017 du 18/07/17 mikasika ny Z.E.S na Zône Economique

 

Spécial izay noheveriny fa manome vahana sy lakile an’ireo vahiny hitoetra eto amintsika ka hanjakazaka amin’ny tany 300 hatramin’ny 350 ha homena azy ireo, araka ny voarakitra ao anatin’ity volavolan-dalàna ity dia mbola ny depiote Ratsivalaka Michelle lany teto Antananarivo Renivohitra irery ihany indray tamin’ireo depiote 22 tonga nivory no tsy nandany koa tamin’ny alakamisy heriny, 7 desambra 2017, ny volavolan-dalàna lah.021/2017 du 03/08/17 mikasika ny Z.I.I na na Zône Investissement Industriel mbola hanomezana vahana ny vahiny hisitraka ara-dalàna ihany koa velaran-tany 300 ka hatramin’ny 350 ha hahazoany miasa eo amin’io tany io mandritra ny 30 taona ihany koa. Ho tapitra hisitraka ny tany eto amintsika ireto vahiny ireto, hoy izy, satria dia mbola ho avy koa ny volavolan-dalàna iray mikasika ny Z.I.A na Zône Investissement Agricole izay tsy misy valaka amin’iretsy roa voalohany fa ny anarana fotsiny no mody hovaovana eo. Mahavalalanina ny mpanara-baovao tokoa fa raha itony volavolan-dalàna lanin’ireo depiote tsy misy afa-tsy 22 amin’ny 150 misy eny Tsimbazaza itony no hankatoavin’ny HCC ihany koa dia azo ambara fa miray tsikombakomba amin’ny fanomezana tany manaraka ny lalàna ny vahiny izy ireo. Sa izany tokoa no heverina fa hialana amin’ny fitsaram-bahoaka tahaka izay saika niseho tany ?

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT