Actualités

Fanomezana tany 200 000 Km² ny sinoa Hipoaka tsy ho ela ny dosie maloto


  • Talata 23 Janoary 2018

Adinodino na tsy misy tohiny intsony amin’izao fotoana ny raharaha “Villa Elizabeth” sy ny maro hafa. Nilaza kosa ny minisitra teo aloha Tabera Randriamanantsoa fa mifandray matetika amin’ny Bianco ny CRN (Comité pour la Réconciliation Nationale),

  ary tsy io raharahan’ny Villa Elisabeth io ihany, fa anisan’ny goavana be toa adinodino ihany koa ny tanin’ny “Travaux publics” eny Alarobia, lasan’ny Karana mpanefoefo irey izay hatao hotely, hono, hoy ity minisitra teo aloha ity. Mirefy 3 ha izany ary eo anilany eo ny tapany nomena ny sinoa. Ny mampalahelo amin’io toerana io dia arisivan’ny “Travaux publics” nanomboka tamin’ny fanjanahantany hatramin’izao dia nopotehina daholo, hoy izy. Araka ny vaovao henonay dia misy ny baiko avy any ambony hoe ataovy haingana mialoha ny fifidianana io hotely io satria niato kely izy teo, hoy hatrany ny fanazavany. Mba hanamorana ny kajikajy maloto rehetra izany no tanjona. Manao antso avo amin’ny Bianco hoe manaova ianareo taratasy manatsahatra ny asa aloha satria izahay nitory, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Mandefa taratasy any amin’ny fanajariana ny tany ihany koa hoe tsy mbola mahazo mikitika. Raha mbola mandeha izay asa izay dia ho eny amin’ny Bianco ihany koa izahay mangataka ny fanatsaharana ny asa aloha satria mandeha ny fanadihadiana. Nilaza moa izy fa tsy hangina satria tanin’ny vahoaka Malagasy io.  Mampiady izany hoe fananan’ny vahoaka Malagasy hamidinao irery amin’olon-tsotra sady vahiny ohatr’ireny. Eo ihany koa ny Nosy any Vohémar, Toliara,… ary mbola manomana dosie amin’ilay fifanarahana teo amin’i Madagasikara sy Sina, izay nanomezana velaran-tany 200 000 km² ny sinoa any amin’iny faritra Toliara iny izahay, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Tena i Madagasikara mihitsy no hamidy nefa io faritra nanomezana ny sinoa io dia saro-pady satria ao daholo ny fasan’olona, ny haremben’i Madagasikara toy ny diamondra. Efa ao aminay daholo ny dosie ary tsy io irery fa ao daholo ny dosie mafana be izay izay saika niandrasan’ny profesora Zafy Albert ny fampihavanam-pirenena, hoy izy. Ho avy indray izany ny ampamoaka manaraka momba ity afera, saingy inoana fa efa miomana amin’ny vono afo koa ny mpitondra mpanao afera.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT