Olona miisa folo indray no notoloran’ny Airtel fanomezana ny faran’ny taona teo tao anatin’ilay hetsika tanteraka ny nofiko nanomezan’izy ireo loka ho an’ireo tsara vintana.
Ireo mpanjifa tetsy Ambohijatovo sy ny manodidina no nahazo tombony tamin’izany, fisarohana andiany faha-enina. Lasan-dRavelotsafidy Laitiana ny loka lehibe indrindra tamin’izany. Vata fahitalavitra miloko iray no natolotra raha nahazo milina mpanaparitaka herinaratra sy finday kosa ny sasany niampy lela-vola. Mbola hitohy ny 15 janoary ho avy izao ny fisarihana hanolorana ilay fiara sprinter iray vaovao an’izay tena tsara vintana. Tsiahivina moa fa fandaniana fahana 3.000 Ar ao anatin’ny herinandro na fampiasana connexion no hahafahana mandray anjara amin’ity lalao katakarain’ny Airtel ity ankoatra ny fividianana finday iray vaovao izay hahazoana tickets miisa 10 avy hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.