Actualités

Fanomezana avy amin’ny vadin’ny filoha Lasa miteraka resabe


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Vehivavy mpampianatra amin’ny EPP, CEG ary Lisea miisa 3000 avy amin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra no notoloran’ny vadin'ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina fitaovana fasiana sakafo na ireny antsoina hoe “hotpots” ireny teny Mahamasina ny alatsinainy teo. Nisy ny fampantenana ny hafa toa ny eny Ambohidratrimo satria miisa 7 000 ireo « hotpots » hozaraina.

Maro kosa ny mametra-panontaniana hoe avy aiza ireny zavatra zaraina ireny? Niparitaka ny resaka nanomboka omaly maraina, fa entan’ny mpandraharaha karana nogiazana tao amin’ny seranantsambo, ary efa nahaloa fadin-tseranana saingy ireny nogiazana. Namoaka fanambarana avy eo omaly hariva ny tranombarotra CONFORAMA etsy Tsararalalana izay voatononna tao anatin’ity resaka ity fa tsy mbola nanafatra “Hotpots” izany mihitsy izy ireo ary tsy mivarotra izany.Fanalam-baraka no natao anaty koa hitory eny anivon’ny manampahefana izahay, hoy hatrany ity fanambarana avy amin’ny mpitantana ny CONFORAMA ity. Natao izany mba ho fiarovana ny orinasa sy ny olo-manan-kaja voatonona ao anatin’ity raharaha ity araka ny fanambarana ihany.Tsy ekenay raha tsy hit any marina momba io raharaha io, hoy hatrany ilay fanambarana.Nahoana no lasa resabe ity fanomezana “Hotpots” an’arivony ity; miandry ihany koa ny rehetra hoe inona ny tena marina, mazava ho azy fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana no hahafantarana ny tena zava-misy marina.Mazava ho azy fa tsy maintsy hanadihady io raharaha io ihany koa ny mpanao gazety.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT