Tsy mety hifanaraka mihitsy ny tolotra sy ny tinady amin’ny fanomezan-dra eny anivon’ny hopitaly ho antsika eto Antananarivo. Raha mahatratra 80 isan’andro mantsy ireo marary mila ra eny anivon’ny hopitaly dia miisa 50 monja ireo tonga manolotra izany,
izay ho famonjena ny ain’ny havany amin’ny ankapobeny no antony manosika ny sasany hanao izany ankoatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay manao izany isaky ny telo volana. Mba hahafahana mameno io isa banga io ary dia manatanteraka hetsika fanomezan-dra etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy nanomboka omaly ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Haharitra dimy andro ny hetsika, hiantsoana sy hanasana ireo rehetra afaka ny hanao izany. Manodidina ny 600 isa eo ho eo ireo olona andrasana ho tonga ho fanampiana ny mpiara-belona. Na izany aza anefa dia fantatra fa ny sokajin-dra O+ no tena tadiavana saingy tsy hanakanana ireo manana sokajin-dra hafa. Io sokajin-dra iray io mantsy no tena vitsy mpanome sy tsy dia be mpanana loatra ka manahirana ny mitady azy. Tsiahivina moa fa ny olona salama, tsy miari-tory no afaka manome ra, manana lanja antonony, tsy tonga fadim-bolana sy tsy mampinono na bevohoka ho an’ny vehivavy. Efa mitsinjo ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona mety hahabetsaka ny loza ihany moa ny minisiteran’ny fahasalamana manoloana ity hetsika ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.