Miomana sahady amin'ny fandraisana ilay fihaonana an-tampon'ny frankofonia isika eto Madagasikara. Voakasik'izany manokana ny eto an-drenivohitra, toerana izay handraisana ireo teratany vahiny mampiasa ny teny Frantsay marobe.
Nanomboka omaly ny asa fanadiovan-tanàna na ny diaben'ny fitsirihana niarahana tamin'ny minisitera isan-tokony, notarihin'ny minisiteran'ny fifandraisana sy ny andrim-panjakana. Teny Anosy no nisantarana izany, nandalo an'Anosibe nandraisan'ireo fikambanana maro samihafa anjara. Anisan'izany ny fikambanana HAFARI Malagasy mpiaro ny zon'olombelona izay nanambara fa vonona hanadio ny toe-tsaina ihany koa hahafahana mampandroso ny firenena. Nivoitra nandritra ny lalana nolalovan'izy ireo ny fanentanana ny mponina mba hanadio tanàna sy hahay handray vahiny mba tsy ho lasa mpifosa vao hifafa trano, hoy ny Rajoelison Jose, tale jeneraly eo anivon'ny minisiteran'ny fifandraisan-davitra. Niafara teny amin'ny kianjan'ny frankofonia Andohatapenaka ny diabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.