Actualités

Fanomanana CEPE Atao letrezana ny fampidirana ao antsain’ny ankizy ny amin’ny tetezamita


  • Alarobia 12 Mey 2010


Mitaraina ireo ray aman-dreny manan-janaka hanala fanadinana CEPE amin’ity taona ity fa ataon’ny mpanabe sasany letrezana ny fampidirana ao an-tsain’ny zanak’izy ireo ny resaka politika. Ho an’ireo ray aman-dreny mipetraka eny Andohatapenaka eny, tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana dia mitaraina mafy izy ireo fa misy fikendrena ny handetika ao an-dohan’ny mpianatra madinika, izay tsy mahalala akory izay politika, ny amin’izao fitondrana tetezamita izao, amin’ny fanontaniana mandritra ny fanazarana. Nasehon’izy ireo an-taratasy mihitsy ny santionany amin’ny fanontaniana toy ny fitakiana amin’ny mpianatra ny daty nametrahan’ny filoha Marc Ravalomanana fialana, toy izany koa ny fangatahana amin’ny mpianatra ny daty nisian’ny fitifirana ny mpanao fihetsiketsehana teny Ambohijatovo, ny datin’andro nihaonan’ny ankolafy efatra tany Maputo sy Addis Abeba ary koa ny fitakiana amin’ny mpianatra ny hanomezana ny anaran’ny Praiminisitra talohan’i Monja Roindefo. Izay ny any am-pianarana fa misy amin’ireo boky fanomanana fanadinana CEPE amidy eny amin’ny fivarotam-boky ireny koa no manome vahana ny resaka politika, indrindra ny fitondrana tetezamita amin’ny fanontaniana apetrany. Efa nitranga izany tamin’ny laza adina BEPC taona 2009, nitakiana tamin’ny mpianatra ny zava-bitan’ny tetezamitan-dRajoelina. Toa efa omanina ho amin’izany ny sain’ny mpanala CEPE raha izao no fisehony. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT