Actualités

Fanolorana ny Tsenan’Asabotsy Nanaovan’ny Faritra Vakinankaratra amboletra


  • Zoma 07 Mey 2010

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Ben’ny tanŕnan’Antsirabe Olga Ramalason ny Alakamisy tolakandro teo ary nanambara hentitra fa : “tsy hanatrika ary tsy handray ny Tsenan’Asabotsy izy” ary “tsy hisy ny solontena avy ao amin’ny Kaominina ambonivohitra hiatrika izany lanonana izany”.

Fantatra tokoa mantsy fa hisy lanonana manetriketrika hokarakarain’ny Faritra Vakinankaratra rahampitso sabotsy 08 mey mahakasika ny fanolorana ny asa nataon’izy ireo tao an-tsena. Antony maro no nahatonga ny Ben’ny Tanàna nanao ity fanambarana ity. Eo aloha ny maha tampoka azy, eo ihany koa ny fanaovana tsinontsinona ny Kaominina izay tompon’ny fotodrafitrasa nefa tsy nilazana mialoha akory. Ny alarobia teo anefa, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona dia niaraka teo ny Ben’ny tanàna sy ny Lehiben’ny Faritra. Tsipy teny no nataon’ity farany hoe : “mety hotokanana ny tsena amin’ny sabotsy”. Nilaza moa ny Ben’ny tanàna tamin’io fa tsy mbola tokony hatao izany satria ny asa ao tsy mbola vita, ny mpivarotra mbola misy 50% eny ivelany. Ny tolakandron’io anefa dia efa mandeha ny dokambarotra samihafa manasa ny vahoaka hanotrona ny fetin’ny Faritra.  Voatery nampiantso ny mpanao gazety ny Ben’ny tanàna nilazany fa tsy izy mihitsy no miantso ny vahoaka ho eny. Na ny fampiasana ny anarany ao amin’ny dokambarotra sy ny fanasana aza dia tsy nampahafantarina azy akory fa efa any amin’ny haino aman-jery ny tenany vao gaga tanteraka. Naneho ny alahelony, araka izany, i Olga Ramalason fa fanaovana tsinontsinona ny rafitra misy azy no ataon’ny Faritra amin’izao fotoana. “Misy antony hafa mahatery ny Faritra ve hanaovany izao amboletra izao ? “, hoy ihany izy.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT