« Mba hiditra misimisy kokoa amin’ny orinasa goavana na « industrie lourde » isika, hoy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier omaly nandritra ny lanonam-panolorana ireo fiarakodia « Karenjy –Mazana II »
izay natolotry ny fitondram-panjakana ho an’ny minisiteran’ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. Marina fa efa betsaka ireo orinasa mamokatra ny vita Malagasy amin’ny sehatra maro isan-karazany, ary ny tena ahafantarana azy ireo dia ny fanodinana ny vokatry ny tany sy ny fanodinana lamba. Ilain’ny firenena ihany koa anefa ny orinasa goavana satria ahafahana mamorona asa sy mitondra avo ihany koa ny faneva maha Malagasy ». Notsiahiviny ihany koa fa « tafiditra ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana ny fijerena izay paika entina mampiroborobo ny orinasa tsy miankina, entina hanindraindrana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ny vita Malagasy. Ilaina ny mampiroborobo ny vita gasy, ilaina ny manampy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny toekarena, fa ilaina ihany koa ny mitsinjo lavitra satria ny famokarana sy ny fanjifana ny vita malagasy ihany koa dia ahafahana mampitombo ny harikarenantsika ». Fanambarana izay mampieritreritra manoloana ny antsojay atao amin’ny orinasa Malagasy AAA Tiko Andranomanelatra sy ny fampahoriana ny mpandraharaha Malagasy amin’ny resaka hetra. Izay tokoa ve no tena izy sa mba mitady hevitra hanakonana ny zaa-misy eto amin’ny firenena fotsiny ny fitondram-panjakana ka mamorona hetsika etsy sy eroa entina hanatsarana tena sy ilazana fa mandeha ny asa na dia efa tapitra mitokona isan’andro aza ny mpiasa amin’ny ireo minisitera rehetra ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.