Actualités

Fanolanana zaza tsy ampy taona Mpitarika sekta iray hiakatra fitsarana ny 21 janoary


  • Zoma 11 Janoary 2013

Ny 21 janoary ho avy izao indray no fantatra fa hiakatra fitsarana ilay raharaha fanolanana tovovavy iray 16 taona mahavoarohirohy an’ilay mpitondra fivavahana amina fiangonana zandriny iray eny Atsimondrano eny.

 Tranga tamin’ny taona 2009 izy ity. Ny fianakavian’ny voaolana mihitsy, araka ny nambaran-drenin’ilay tovovavy no nangataka fanemorana io fitsarana io satria dia nivadika ho ady heloka tsotra izany, araka ny nambarany raha ady heloka bevava  no nanenjehana ity mpitondra fivavahana ity. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2009 no nisehoan’ity fanolanana zaza tsy ampy taona ity, araka ny nambaran’ny renin’ilay voaolana ihany. Vao 16 taona ny zanany tamin’izany fotoana, ka tamin’ny alalan’ny resaka fivavahana no nisarihana azy, araka ny nambarany. Fanerena an-keriny, fanolanana niampy fanerena hanala zaza no nihatra tamin’ity tovovavy kely ity izay niantsoan-dreniny ny mpitondra fanjakana mihitsy mba hijery akaiky ny raharaha. Teo anatrehan’ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena no nitondrany ny fitarainany omaly koa andrasantsika eo izay mety ho tohiny.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT