Actualités

Fanokafana ny Tiko Lasa any Soeda sy Danemarka i Dada


  • Talata 08 Septambra 2015

Tsy mandry andro tsy mandry alina i Marc Ravalomanana mikaroka izay hanarenana ny toekarem-pirenena amin’ny alalan’ny famoronany asa ho an’ny Malagasy rehetra.

 


Miroso hatrany ny fandaharan’asan’i Dada amin’ny fameloma-maso indray ny orinasa Tiko. Ny alahady lasa teo ny tenany no nandao an’i Madagasikara hihazo an’i Soeda sy Danemarka, firenena roa niara-dia taminy hatramin’izay tamin’ny fampiroboroboana ny orinasa Tiko ary mbola vonona hiara-miasa aminy hatramin’izao. Efa nanana ny toerany taty amin’ny faritr’i Afrika atsinanana sy ny faritry ny ranomasimbe Indiana ny vokatry ny orinasa Tiko na teo amin’ny vokatry ny fanodinana ny ronono na ny fikarakarana ny voankazo. Hanome asa ny mpiray tanindrazana eto an-toerana ny fihodinan’ny orinasa Tiko ary hampitombo ihany koa ny hetra sy ny vola vahiny ao amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana. Efa naneho ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny fitondram-panjakana misy Ravalomanana, dia hanarenana ny toekarena Malagasy na eo aza ireo malailay fonosana sy te hoderaina ka te hamalan-kira eo akaikin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Fifanarahana ambadika

Manoloana izao maha antomotra ny fisokafan’ny orinasa Tiko izao dia efa maro ny mpandinika politika no te haneho hevitra ny amin’izay fahitany ny mety ho fandehan’ny raharaha sy izay mety ho fifanarahana ambadika nisy teo amin’i Marc Ravalomanana sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny maha maika ny maro aloha izao dia ny hisokafan’ireo orinasa izay namelona olona an’arivony maro sy ny hanarenana ny toekarem-pirenena latsaka an-katerena. Nampiakatra ny laza aman-kajan’ny vokatra “Vita Malagasy” ny Tiko ary samy niaiky izany avokoa ny vazantany efatra. Eo amin’ny lafiny ara-politika, na dia tsy ambaran’ireo mpitondra ankehitriny aza fa ny mifanohitra amin’izany no tian’izy ireo hiseho masoandro dia efa naman’ny teren’ny mpamatsy vola vahiny hitady fifanarahana ara-politika amin’ny hery politika ivelan’ny fitondrana ihany ny fanjakana Hvm ankehitriny ka efa endrika isehoany izao fahafahan’i Dada Ravalomanana manao ny asany izao.

Amin’izao diany izao dia nandalo tao amin’ny nosy Maorisy izy sy ireo mpiara-dia aminy ary nihaona sy niara-nisakafo tamin’Atoa Pravind Jugnauth praiminisitra lefitra maorisianina. Tsy mandry andro aman'alina mihitsy ny tenany amin’ny fampandrosoana ity firenena latsaka an-katerena ity. Ny sasany mbola mitady hamingana ihany. Ity no fivoahana faharoa tao anatin’ny tapa-bolana ho an’Andriamatoa Marc Ravalomanana taorian’ilay diany tatsy amin’ny nosy La Réunion farany teo. Miara-dia aminy ny depiote TIM Randrianarisoa Guy Rivoniaina.

Andry Ratovo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT