Actualités

Fanokafana ny orinasa Tiko Mialona ve Rivo Rakotovao e ?


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Tsy azo iadian-kevitra fa raha vao misokatra eo ny orinasa Tiko dia ho betsaka ny ho faly sy hanana asa ka vao mainka ho mamy hoditra i Dada Ravalomanana. Izay ve no tena mampalailay fonosana an’Atoa Rakotovao Rivo ?

Miroso amin’ny fomba haingana sy malaky ny fananganana ny orinasa Tiko izay tarihin’i Marc Ravalomanana. Ny talata tolakandro teo no nigadona tany Copenhague renivohitr’i Danemark izy sy ireo mpiara-dia aminy. Ny harivan’io ihany dia efa raikitra ny fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Noporofoiny fa hainy ny fampiroboroboana ny orinasa manodina ny ronono sy ny karazan-tsakafo hafa ka izany no tena mahasarika ireo mpiara-miasa vahiny hiara-misalahy aminy. Nampakatra ny laza tsaran’ny vokatra malagasy taty Afrika sy tany amin’ny faritra hafa ny vokatra novokarin’ny orinasa Tiko ka niteraka fialonana teo amin’ireo mpandraharaha vahiny any ivelany sy ny teto an-toerana. Ny mahalasa saina ihany koa dia ny fihetsik’ireo mpiara-miasa akaiky sasany amin’Atoa Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenena ankehitriny.

Tokony ho faly amin’ny fisokafan’ny orinasa Tiko ny fitondrana ankehitriny satria hiteraka fiovana lehibe eo amin’ny toekaren’ny firenena izany. Izay no mety mahatonga io fiaraha-miasan’i Dada Ravalomanana sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina izay sahirana miantso ny vahiny hampiasa ny volany eto Madagasikara. Ny mpiray tanindrazana vonona indray ve no hitodihan-damosina ?

Ambanin’ny lalàna

Mety ho fialonana no mahatonga ny minisitra Rakotovao Rivo te hametraka olana amin’ny fomba nahazoan’ny Tiko ny tany anorenany ireo orinasa hanomezana asa ny Malagasy. Raha hiantso mpamatsy vola hiasa eto Madagasikara dia aiza no hananganana ny orinasa ? any Gondowana ? Tsy ny fepetra amin’ny fahazoana mampiasa ny tany ho an’ny mpampiasa vola ve no tokony hataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany mazava satria ambanin’ny lalàna avokoa ny rehetra na teratany na vahiny dia mazava ny resaka e ?

Ny Depiote Randrianasolo Jean Nicolas moa dia tafahoatra ny fanaratsiana nataony an’i Marc Ravalomanana raha nivahiny tamina radio tsy miankina teto an-drenivohitra ny tenany. Tsy azo itokisana amin’ny teniny, hono, fa mora mivadika. Fa fohy loatra angamba ny fitadidian’atoa depiote tsy nahatsiaro fa raha tsy naongan-dry zareo teo amin’ny fitondrana anie Ravalomanana tamin’ny 2009 dia vita tamin’ny fandaharanasan’ny “10e FED” ny lalan’i Betroka izay andalovan’ny RN 13 mampivoajamala azy ankehitriny io e !

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT