Mbola tena ambany dia ambany tokoa ny tahan’ireo olona manokatra kaonty eny anivon’ireo banky maro samihafa eto amintsika ankehitriny. Hatramin’izao mantsy dia tsy misy afa-tsy 5 % izany, miaraka amin’ireo orinasa lehibe sy ireo mpiasam-panjakana efa manana kaonty.
Eo an-danin’izay anefa dia mahatratra 35 % isan-taona ny fitombon’ny tahan’ny fampiasana finday eto amintsika amin’ny fikirakirana ny teknolojia, raha araka ny fanadihadiana natao. Antony nanosika ny banky BNI hanokatra ilay tolotra banky digital dia mba hanentanana ny olona hanokatra kaonty ao aminy. Amin’ny alalan’io tolotra vaovao io dia tsy voatery handeha lavitra intsony ny olona iray raha handefa vola amin’ny fianakaviana na ny namany na hijery ny kaontiny fa amin’ny alalan’ny finday na solosaina dia efa vita ny raharaha. Maimaimpoana ny tolotra. Nomarihin’ity tompon’andraikitra iray eo anivon’ity banky ity moa fa noho ilay kolontsaina mahazatra hatramin’izay tia mindram-bola any amin’ny namana na havana no antony mampalaina ny olona tsy hanokatra kaonty amin’ny banky. Eo ihany koa ny tahotra sao dia hakan’ny banky sarany lafobe.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.