Sekoly ambony iray manofana ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ny ISPPS ( Institut Supérieur des Paramédicaux et Promotion de la Santé) etsy Andrefanambohijanahary.
Ankoatra ny fampianarana momba ny fandraisana an-tanana ny fahasalamam-bahoaka dia fantatra izao fa hirotsaka an-tsehatra amin’ny ady amin’ny herisetra mahazo ny mpiara-belona izy ireo, ka tafiditra ao ny fitsaram-bahoaka. Ao anatin’ilay tetikasa fiarovana ny aina sy ny fifanomezan-tanana lavorary no hanatanterahany ny tetikasa narafitra avy tamin’ny memoire notanterahin’ny mpianatra. Anisan’ny hisongadina ao anatin’ity rakitsary vaovao ity, hoy ny filoha tale jeneralin’ny sekoly Ramanahirana Gérard ny fanaovana antso avo amin’ny rehetra mba hahay hitandro ny aina ka tsy hamokatra mpianatra ho mpitsabo fotsiny izy ireo fa hamokatra olon’ny sosialy ho afaka handray andraikitra ihany koa. Tsiahivina moa fa hiroso amin’ny fanentanana ny olona hiady amin’ny fanaovana dokotera tenany ihany koa izy ireo, ny fandraisana sy fidorohana zava-mahadomelina, ny fitondrana fitaovam-piadiana mandehandeha sy ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.