Hanao rodorodo hiaraka haneho ny heviny eny amin’ny La Gastro Pizza Ivato manoloana ny raharaham-pirenena anio ireo sendika azo ambara fa lehibe sy matanjaka eto amintsika. Anisan’izany ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama, Air
Madagascar, Sofitrans, Adema, fadintseranana ary ny sendikan’ny mpiasan’ny fananan-tany. « Tsy avela hanjakan’ny vahiny ny tanindrazana sy ny harenany » no lohahevitra nosafidian’izy ireo. Lohahevitra midika zavatra betsaka indrindra fa amin’ity andron’ny 13 mey ity izay daty malaza nanoheran’ny malagasy tia tanindrazana tamin’ny 1972 ny fanjanahana tamin’ny endriny vaovao nataon’ny Frantsay teto. Tombanana fa hisy ny fanambarana iombonana hataon’ireto sendika ireto satria matevintevina ihany ny olana sedrain’ny mpiasa amin’ny orinasa lehibe sasany tahaka ny Air Madagascar sy ny Adema ohatra. Fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe :mety hisy ve izany ato ho ato ny hetsika goavana iarahan’ireto sendika ireto satria efa nanomboka izany ny tao amin’ny Airmad izay nitaky ny fialan’ny tompon’andraikitra rehetra ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.