Actualités

Fanofanana ireo tanora sahirana Ifarimbonan’ny fikambanana maro


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Mahatratra 24 ireo fikambanana miasa ho an’ny fampiroboroboana ny fanofanana ireo tanora sahirana ara-pivelomana eto amintsika amin’izao raha tsy nisy afa-tsy 11 monja teo aloha.

 

 Mivondrona ao anatin’ny vovonana iray izy ireo, niforona ny taona 2014, miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny asa sy ny fiofanana arak’asa ary ny fampianarana ara-teknika. Manatanteraka hetsika fampahafantarana azy etsy amin’ny garan’i Soarano izy ireo nanomboka omaly, hifarana anio sabotsy. Tanjona ny hahafahana mampiroborobo hatrany ny sehatra fanofanana ny tanora hahafahan’izy ireny miatrika ny hoaviny, araka ny tokony ho izy. Amin’ny ankapobeny dia manomboka eo amin’ny 11 taona ireo tanora voakasik’izany, indrindra fa ho an’ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Misy mihitsy ny fikambanana miasa ho amin’izany fotsiny ka aorian’ny fahaizan’ireo tanora mifehy sy mampiasa ny vakiteny sy ny soratra dia hampanalana CEPE avy hatrany izy ireo ary omena fiofanana arak’asa avy eo. Anisan’izany ny asa fanaovam-bolo ho an’ny vehivavy, ny fanaovana mofomamy, ankoatra ny asa vy …ho an’ny lehilahy.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT