Manoloana ny fitarainan’ireo mponina ao amin’ny fokontany Antanimora central ao amin’ny distrikan’Ambovombe Androy izay nivoahan’ny filazana fa misy manodinkodina ny vatsin’ankohonana
omen’ny fitondram-panjakana azy ireo dia namaly ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana sosialy fa tsy anisan’ireo fokontany 317 any atsimo tafiditra ao anatin’ity tetikasa ity velively ny fokontany izay nitaraina. Araka ny fanazavana dia ny eo anivon’ny PAM na ny fandaharan’asa misahana ny famatsiana ara-tsakafo maneran-tany ihany no miandraikitra ity fokontany ity fa tsy misy idiran’ny minisiteran’ny mponina. Na izany aza, hoy ny avy eo anivon’ny minisitera dia melohin’izy ireo ny fihetsik’ireo tompon’andraikitra mikepoka ny anjara tandrifin’ny madinika ary dia miantso fitsirihana sy fanaraha-maso avy amin’ny tompon'andraikitra ihany koa izy ireo manoloana ny fanararaotam-pahefana. Raha nisy tokoa ny fanodinkodinana ny vatsin'ankohonana dia tsy maintsy hisy ny fanadihadiana atao ary hisy koa ny tatitra alefa any amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena mpiara-miasa amintsika, hoy ny fanambaran'ny minisiteran'ny mponina.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.