Actualités

Fanodinkodinana miliaran’ny Jirama «Pata be» sy DG teo aloha hiakatra fitsarana


  • Alakamisy 27 Aogositra 2015

Raha mbola mifanenjana ny andiana mpiasa eo anivon’ny Jirama tarihin’ny farimbon-tsendikaly sy ny fanjakana dia tantara mitohy ihany koa ny an’ny Jirama

 

sy ny “Chaine pénale anti-corruption” izay fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly. Hiakatra fitsarana rahampitso zoma 28 aogositra 2015 indray ny dosie iray mikasika fanodinkodinam-bola amina miliara tao amin’ny Jirama, izay mahavoarohirohy ny Tale jeneraly teo aloha sy mpandraharaha mpanefoefo iray mpikambana tao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama. Ny Bianco no nandray an-tanana ny fanadihadiana azy ireo. Re tamin’ny loharanom-baovao samihafa anefa fa tsy nanaiky ny hanadihadiana azy teny tamin’ny biraon’ny Bianco Ambohibao ilay mpandraharaha ka ireo mpanadihady no nanatona azy mba handrosoan’ny ankety. Mbola ireo loharanom-baovao ireo ihany no nandrenesana fa mety tsy hipoitra eny amin’ny “Chaine pénale anti-corruption” io “Pata be” io rahampitso, andro hanoloran’ny Bianco ny antontan-taratasy firaketana ny famotorana natao azy ireo, fa hiandry ny famindrana ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy. Any amin’ny “Chaine pénale anti-corruption” indray izany ny mason’ny mpanara-baovao momba ity raharaha ity. Hanara-dia ny “raharaha Bekasy” koa ve ? Raharaha izay tsy re popoka ny tohiny hatramin’izao, na dia fantatra aza fa nisy antontan-taratasy maromaro momba ny boaderôzy hita nandritra ny fisavana ny tranony.

Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT