Actualités

Fanodinkodinam-bolam-panjakana : Raharaha 50 no namoahan’ny Cour des Comptes didy


  • Alarobia 27 Oktobra 2010

Manaraka fiofanana mandritra ny efatra andro nanomboka omaly talata ireo mpitsara miasa eo anivon’ny Fitsarana Tampony ara-bola na Cour des Comptes avy amin’ireo Tribonaly enina misahana ny fifanolanana ara-bola amin’ny fanjakana.

Anton’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa ho fanatsarana ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola anatiny, indrindra fa ny eny anivon’ny fitondram-panjakana sy ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Mikaroka ireo fanodinkodinam-bola sy ny hosoka ataon’ny tomponandraikitra amin’ny tetibolam-panjakana no anjara asan’ny Cour des Comptes ary azony atao ihany koa ny manasazy raha mahita porofo ny fisian’ireo tranga ireo. Raha ny fanazavan-dRandrezason Théodore, filohan’ny Cour des Comptes dia mahatratra 50 ireo didy navoaka noho ny fisian’ny fanodinkodinam-bola tamin’ity taona 2010 ity. Ankoatra izay dia antontan-taratasy maro koa no mbola ao anatin’ny fanadihadiana amin’izao fotoana toy ny fanodinkodinam-bola niseho teny anivon’ny Kaominina miisa 40. Marihina fa ny raharaha tamin’ny taona 2008-2009 no raisin’ny Cour des Comptes an-tanana sy amoahany didim-pitsarana ankehitriny. Ny fitondrana teo aloha no nametraka ity tribonaly ity tamin’ny taona 2004. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT