Mpivady samy mpiasa ao amina orinasa Madaomby no voasambotry ny Zandarimariam-pirenena omaly alakamisy 7 desambra 2017 tamin'ny 4 ora sy sasany hariva teny Sabotsy Namehana.
Tratra teny amin'izy ireo ny vola mitentina 90 000 000Ariary, izay voahodinkodiny, ka antony nitorian'ny orinasa azy ireo. Taorian'ny fanadihadiana sy ny fikaroham-baovao dia nanao ny vela-pandrika rehetra ny zandary, izay nahitana ny avy ao amin'ny "Groupe d'appui à la Police Judiciaire" avy any amin'ny Groupement Bongolava, ny avy ao amin'ny sampam-pikarohana momba ny heloka bevava Fiadanana, ny GSIS ary ny avy ao amin'ny Borigadin’i Sabotsy Namehana, ka tratra io tamin'io andro io izy mivady. Mbola teny amin'izy ireo ny vola nahodiny ka niantso teo no ho eo ihany ny Ben'ny tanàna sy ny sefo fokontany teny an-toerana ireo zandary ireo mba hiatrika sy hiaraka hanisa ny vola teny amin'ireto voarohirohy mba hangaraharan'ny asa izay natao. Ny fiarovana ny olona sy ny fananany no andraikitry ny zandarimaria, ny mamerina amin'ny tompony ny fananany izay "very ka hita indray" dia efa nampiavaka ny azy hatrany, ka misaotra ireo izay nifanome tanana taminy rehetra tamin'ny asa natao, hoy izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.