Actualités

Fanodinkodinam-bola Nohadihadiana i Elysé Ratsiraka


  • Zoma 28 Jolay 2017

Ora efatra no lanin’ireo polisy avy amin’ny kaomisaria misahana ny heloka ara-bola Toamasina, nanaovana ny fakana am-bavany an’ny ben’ny tanàna tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Toamasina omaly.

 Polisy telo nahitana “officier” iray mpitarika ny fanadihadiana sy inspektera mpanao ny fakana am-bavany, ary “brigadier en chef” mpandray an-tsoratra ny zava-misy izy ireo, izay natrehan’ny mpisolovava mpisolo toerana iray ihany koa. Raha ny angom-baovao marim-pototra dia ilay resaka tany izay ny ben’ny tanàna no mpividy ary izy ihany no mpivarotra, izy koa no mpanome alalana tamin’ny fanaovana sonia sy ilay volana solika mivoaka eo anivon’ny kaominina tsy tonga amin’ny tompony, ny karaman’ny mpiasa mivoaka avy eny amin’ny “trésor” nefa tsy tonga amin’ny mpiasa voasoratra anarana no heloka nakana am-bavany azy. Efa ho telo volana ity raharaha ity izao no tonga teny amin’ny polisy misahana ny heloka ara-bola Toamasina raha nalefan’ny tonia mpampanoa lalàna hanaovana fanadiadiana lalina. Tao anatin’izay anefa dia tsy namaly ny fiantsoana azy ny ben’ny tanàna noho ny tsy fananany fotoana sy ny fahasahiranany lava. Tamin’izao fakana am-bavany izao dia izy ihany no nanome ny fotoana alakamisy nanaovana ny fanadihadiana. Nilamina ny fakana am-bavany azy. Ny nanaitra ny mpanao gazety dia ny fanaovan’ireo polisy nanao izany sy ny mpisolovava mpisolo toerana lalam-poza niafina ny mpanao gazety, ka nivoaka tany an-damosin’ny lapan’ny tanàna tsy nivoaka ny varavarambe nidiran’izy ireo tamin’ny voalohany. Ny ben’ny tanàna aza nanao tari-dositra ny mpanao gazety taorian’ny fivoahany ny birao fiasany. Raha ny fanazavana dia miankina amin’ny tonia mpampanoa lalàna ny ho tohin’ny fanadihadiana na tsia.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT