Actualités

Fanodinkodinam-bola Mampiahiahy ireo mpiasan’ny Trésor


  • Alarobia 12 Mey 2010

Mampiahiahy ireo mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana na Trésor maro ny fisian’ilay fanodinkodinana ny anjara volan’ny faritra Boeny, izay efa tokony ho noraisin’ny lehiben’ny faritra tamin’ny faran’ny volana aprily lasa teo.

Teo am-pangalana ny vola mantsy ny lehiben’ny faritra vao nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ilay antontan-taratasy famoaham-bola ilay mpiasan’ny Trésor nanara-maso izany farany. Tsy tafavoaka ny vola vokatr’izany. Tsy niandry ela fa teo no ho eo ihany dia nangataka fanazavana tamin’ny Trésor foibe eto an-drenivohitra izay nampita ny vola tany amin’ny Trésor any Mahajanga ireto farany. Toraka izany koa ny nataon’ny lehiben’ny faritra. Nifamahofaho be ihany anefa ny raharaha ka nitory avy hatrany ny Trésor foibe. Olona telo no voatondro ho niray petsapetsa tamin’ny fanatontosana izany, izay samy voaantso niatrika ny famotorana ifotony mikasika ny raharaha natao teny amin’ny lapan’ny fitsarana eny Anosy ny 06 mey lasa teo. Tsy tonga niatrika izany kosa ilay olona ambony mampiahiahy ireo mpiasan’ny Trésor izay voalaza fa atidoha nikotrika ity fanodinkodinam-bola ity satria tsy anisan’ireo voaantso izy. Ireo olona telo ireo ihany vokatr’izany no nanaovana ny famotorana. Tonga naneho ny firaisan-kinany sy ny alahelony teny an-toerana noho izany ireo mpiasan’ny Trésor sy ireo lehiben’ny faritra maromaro izay samy nanamafy fa tsy rariny raha izy telo izay voatondro ho niray petsapetsa tamin’ity raharaha ity ihany no nanaovana famotorona sy nohenoina tahaka izao.

Tokony hofakafakaina lalina ny raharaha, hoy izy ireo ary dinihina araka izay tokony ho izy. Tsy mbola vita tamin’io andro io anefa ny famotorana. Nahemotra ny 29 jona ho avy io indray izany. Marihina fa anisan’ny antony iray nanosika ireo mpiasan’ny Trésor hiroso amin’ny fitokonana fanairana hataony anio izao zava-nitranga tany amin’ny faritra Boeny izao. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT