Nazava ny mikasika an’ilay raharaha fanodinkodinambolam-panjakana nalaza be fa niseho tany amin’ny Faritra Anosy ny depiote Hatrefindrazana Jerry,
voafidy tany Taolagnaro, raha nanontanian’ny Tia Tanindrazana nivantana teny Tsimbazaza omaly ka nilaza fa resaka fanaovana kitranoantrano na namanamana amin’ny fanomezana tsenam-barotra “marché public” sy asa matoatoa (travaux fictif) no tena nisy raha ny marina ka olona 8 no voarohirohy tamin’ny raharaha ka anisan’izany ny lehiben’ny Faritra Anosy am-perinasa. Efa nidina nanao fanadihadiana tany an-toerana ny alarobia 9 novambra 2017 ny Bianco, hoy ity solombavambahoaka ity ka efa natolony ny fitsarana izany ary io indray namerina izany any amin’ny OPJ hanaovana fanadihadiana lalina (enquête à fond) ary heverina fa omaly alakamisy no nanaovan-dry zareo an’izany.Nisy ihany koa moa ny taratasy manokana nalefan’ireo Ray aman-dreny to-teny Antanosy nalefa any amin’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina ary nanaovan’izy ireo ampamoaka momba ity resaka hafahafa any amin’ny faritra Anosy ity ity ary tena nanamafisan’izy ireo fa nisy ny raharaha fanodikodinam-bolam-panjakana mitentina 1 miliara ariary ahiana ho nataon’ny filohan’ny faritra Anosy; sy ny fikasana hanao kolikoly tamin’ny mpiasan’ny Bianco nanao ny fanadihadiana ary hanana porofo amin’ny alalan’ny horonam-peo mihitsy izany, hoy ny fanambarana izay nosoniavin’i Randriantsirebaky Soja misolotena ireo Ray aman-dreny To-teny Antanosy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.