Actualités

Fankalazana ny fetim-pirenena Nomena “gilet” hoenti-miasa ny mpanao gazety ao Toamasina


  • Zoma 25 Jona 2010


Vonona fatratra hiatrika ny fetim-pirenena ny ao Toamasina, miavaka ny fanomanana izany tamin’ny lafiny maro. Efa miatrana amin’ny andraikiny avokoa moa ireo kaomisiona isan-karazany ao anatin’ilay komity mpikarakara ny 26 Jona faha-50 taona nahazoana ny fahaleovantena. Manintona indrindra amin’izany ny fanaingoana ny Lapan’ny Faritra Atsinanana eo amin’ny araben’ny fahaleovantena ao Toamasina renivohitra. Toy izany koa ny fiavahana nampiakanjoana ny sehatry ny asa fanaovan-gazety ka nanolorana azy ireo ny “gilet” miavaka hoenti-miasa mandritra ny fetin’ny 26 Jona. Ho an’ny fanentanana moa dia mbola mitohy hatrany ny kerimesin’ny miaramila miaraka amin’ny Braderie-n’ny BCDM, ny podium sy radio crochet eny amoron-dranomasina. Ny matso indray moa dia efa am-pamaranana ny famerenana ny matso. 

Fanja A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT