Actualités

Fankalazana ny fetim-pirenena Kitoatoa ny fampitana mivantana


  • Talata 27 Jona 2017

Toy ireny mody manetsiketsika vava ireny fotsiny ny fahitana ireo mpanao gazety nampita mivantana tamin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny matso teny Mahamasina omaly nanomboka tamin’ny 10 ora maraina latsaka fahefany.

 Efa ho 10 minitra taty aoriana vao tsikaritry ny tekinisianina fa tsy tonga tany an-tsofin’ireo mpijery izay nolazaina ary teo vao nisy fanapahana ny fampitana ary narahina fialan-tsiny izany, minitra vitsy taty aoriana. Mampanontany tena ny maro ihany moa hoe inona loatra no nitranga no dia amina vanim-potoana goavana eo amin’ny tantaram-pirenena toy ireny no mbola hitrangana tandrevaka arak’asa toy izany, fa tsy mba efa niomana sy nanao fanandramana mihitsy ve ? Ny tolakandro nanomboka tamin’ny 4 ora dia niverina indray ilay tsy fahazoam-peo raha niaka-tsehatra namarana ny rindran-kira nandritry ny ora iray ny tarika Nina’s.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT