Nifanilika andraikitra ny tao Morondava renivohitry ny Faritra Menabe rehefa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fandaminana ny fankalazana ny fetim-pirenena sady faha-50 taonan’ny fahaleovantena no fetin’ny foloalindahy malagasy rahateo.
Nifanome tsiny ny samy mpitondra fa mivangongo any amin’ny Lehiben’ny faritra ny fanapahan-kevitra, asa mety ho nentin’ny tsy fifampatokisana. Niteraka fifamaliana ny fety tao Ambositra renivohitra Amoron’i Mania. Nasiaka tsy nitsitsy teny, nitsikera ny Faritra ny tao amin’ny radio tsy miankina FM 104, radion’i Herizo Razafimahaleo, ny marainan’ny alatsinainy 28 jona, raha nitatitra ny zava-nisy manodidina ny fetim-pirenena. I Marion no mpanakanto nohafaran’ny tao amin’ny Faritra hanafana ny fotoana saingy nangatsiaka ny «podium», hoy ny loharanom-baovao. Ambositra efa zatra kidodo. Noteren’ny lehiben’ny Faritra haato ny fandefasana ny Mondial tamin’ny «écran géant» fanomezan’i Benja Razafimahaleo (Leader Fanilo) ho an’ny vahoakan’Ambositra mba handefasana afomanga, fanapahan-kevitra tsy nahafaly ny olona loatra.
Tao Moramanga, efa ny harivan’ny zoma 25 jona vao natsangana ny lapihazo ho an’ny «podium», mbola manandrana fanamafisam-peo ny marainan’ny 26 jona. Tao Antsiranana, fanamafisam-peo kapoaka no teo amin’ny toerana nanaovana «podium», hany ka i Norah, mpanakanto nohafarana hanafana ny fety aza kivy saingy tsy afa-nanoatra. Santionany amin’ny zava-nitranga tany amin’ny faritra ireo ary mahatonga ny fanontaniana hipetraka ny amin’ny hoe : nisy fa tara sa tsy nisy ilay vola 10 tapitrisa ariary nambara fa nomena ny Faritra tsirairay hanomama ny fetim-pirenena sy hanao izay hamparesaka azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.