Actualités

Fankalazana ny faha-20 taonan’ny SOLTEC Natrehan’ny masoivoho alemŕ Herald Gehrig ny fanokafana


  • Alarobia 20 Mey 2015

Mankalaza ny tsingerintaona faha-20 niorenany teto Madagasikara ny SOLTEC eny Mandrosoa Ivato. Nosokafana tamina hetsika fampahafantarana ny asany ny fanamarihana izany tamin’ny faran’ny herinandro teo teny an-toerana

. Fiaraha-miasan’ny fikambanana alemana DMV sy ny fikambanana malagasy Avana Regenbogen ny SOLTEC mba  hitsinjovana ny tanora avy amin’ny fianakaviana sahirana sy ireo kamboty. Notsipihin’ny masoivoho alemà, Herald Gehrig, tonga nanokatra ny lanonana fa firenena manana ny ho aviny eo amin’ny ara-toekarena i Madagasikara ary lalana hahatafavoahany amin’izany ny fanofanana tanora ho teknisianina toy izao. Midika izao fa tsara ny fifandraisan’ny tany roa tonta, hoy izy. Mpiofana 2 000 no efa nandalo tao amin’ity foibe ity hatramin’izay 20 taona nitsanganany izay.  Mahazo maripahaizana ankatoavin’ny fanjakana izay mpiofana tafavoaka amin’ny fanadinana atao ary hatreto dia ny 70%-n’izy ireo no efa tafiditra miasa amin’ny orinasa nizarany asa. Lalam-piofanana ara-teknika valo no azon’ny mpianatra arahina ao amin’ny foibe SOLTEC, arakaraka ny masontsivana nahatafidirany tao sy ny fifaninanana atao. Manana vina ny hanitatra ny asany any amin’ny toerana hafa eto amin’ny nosy ny Soltec ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT