Actualités

Fankalazana ny 08 martsa nalefa mialoha Mampametra-panontaniana ny maro


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Somary lasa aloha ny fankalazana ny datin’ny 08 martsa, andro maneran-tany ho an’ny vehivavy tamin’ity taona 2018 ity eto Madagasikara raha noharina tamin’ny taon-dasa.

  Ny 02 martsa lasa teo mantsy izany dia efa nanomboka  izany hoe : enina andro mialoha raha mbola hitohy hatramin’ny 11 martsa indray ilay vohitra fiary kanto hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina manomboka rahampitso. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy  ary ny fampiroboroboana ny vehivavy dia tsy lasa alohabe akory io daty io fa toy ny mahazatra ihany. Ny anton’ilay fanemorana ny fankalazana hanjary hanomboka anio Alakamisy 08 martsa ka hatramin’ny 11 Martsa indray hoy izy noho ny fisian’ilay andro ratsy Dumazile izay saika nandalo teto amintsika. Na izany aza anefa dia anisan’ny mampametra-panontaniana ny maro ny fisehoan-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina tsy miato etsy sy eroa mizara fanampiana. Nosantariny tamin’ny fanomezana fanampiana ireo vadin’ny pôlisy sy ny zandary izany ny Sabotsy 02 Martsa teo. Toraka izany koa ireo vehivavy mpampianatra izay mbola nitohy hatramin’ny omaly teny amin’ny CISCO Atsimondrano. Izay angamba ilay hoe : zara aza misy fotoana hisehoana amin’izay mba fantatry ny olona hoe : Renin’ny Malagasy.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT