Actualités

Fanjonoana Potika ny zana-trondro


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Gaboraraka tanteraka ny fivarotana trondro eny an-tsena ankehitriny. Izay tsena rehetra lalovana dia ahitana zana-trondro mbola madinika avokoa.

 

 


 Raha izao no mitohy dia tsy hisy taranaka intsony ny trondro tilapia atsy ho atsy. Eny Anosibe, Ankadimbahoaka, Fasan’ny Karana, ny tsenan’Ambohitrarahaba dia samy ahitana zana-trondro mbola tokony hitombo avokoa amidy amin’ny tokony. Mampanontany  tena ny andraikitry ny minisiteran’ny Jono  sy ny harena anaty ranomasina  ankehitriny manolona izao gaboraraka eny an-tsena izao. Ny mason’ny harato ve no tsy araka intsony ny manara-maso azy sa  inona no antony ? Marina fa  ny  faha 15 oktobra 2014 ka hatramin’ny faha 15 desambra 2014 no fikatonan’ny fanjonoana ho an’ny faritra Analamanga fa ny  fiakaran’ny rano nandritra ny vanim-potoanan’ny orana dia nampiparitaka be ny zana-trondro. Ny voalohan’ny volana janoary  ka hatramin’ny 18 martsa 2015 dia nahatratra 20 027 447 ariary  ny totalin’ny lamandy voarain’ny fanaraha-maso ny jono nandritra ny fisavana nataon’izy ireo. Tena nofy ratsy ho an’ny minisitry ny Jono sady filohan’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra mihitsy ity resaka harato ity, tsy eny an-kianja tsy any anaty rano fa mametraka olana hatrany.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT