Actualités

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina


  • Alakamisy 22 Jona 2017

Hiitatra any andafin’ny riaka ny akon’ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) noho ny teritery isan-karazany ataon’ny manampahefana amin’ny asan’ny mpitsara Malagasy.

Hisy ny famelabelarana arahina adihevitra mikasika ny fitakian’ny SMM sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto Madagasikara, hataon’ny filohan’ny sendika Fanirisoa Ernaivo any Frantsa ny 25 jona izao ary any Généve Suisse ny 7 jolay izao. Tsy vitan’izay fa hanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana eny amin’ny fitsarana an-tampony Anosy ihany koa ny SMM ny 28 jona izao. Hifantoka betsaka amin'ny fanapahan-kevitra horaisina manoloana ny fitakiana maro nataony sy eo anatrehan'ny tsy firaharahian’ny manampahefana izany ny lahadinika. Ho an’ireo faritany 5 hafa ivelan’Antananarivo dia anio no hanatanterahana io fivoriambe tsy ara-potoana io, ary hitovy amin’ny hatao eto Antananarivo ny 28 jona ihany ny lahadinika. Mety ho aorian’ny eto Antananarivo kosa vao hivoaka ny fehin-kevitra sy ny fanapahan-kevitra rehetra, izay heverina fa fanapahan-kevitra goavana manoloana ny fanaovana tsinontsinona ny fitsarana Malagasy. Mbola maro ireo raharaha nampiaka-peo ny SMM, izay tsikaritra fa tsy mandeha araka ny niheverana azy amin’izao fotoana izao. Tsy dia nandrenesam-peo intsony anefa ny SMM manoloana ny famindran-toerana an’i Claudine Razaimamonjy any Manjakandriana. Tsy mbola tanteraka ihany koa ny fanenjehana ara-pitsarana ny loholona avy any Fianarantsoa Riana Andriamandavy VII, izay notorian’ny SMM noho ny resaka fandrahonana ho faty tany anaty tambajotra ara-tsosialy fesiboky sy raharaha hafa toy ny fitondrana andian’olona hanakorontana teny amin’ny Bianco … Notakian’ny SMM ny fifonana ampahibemaso ataon’I Riana Andriamandavy VII sy ny loholona Andrianjaka Goulzar lany tany Ampanihy, izay voalaza fa nandrahona mpitsara tamin’ny famoahana Ben’ny tanàna nampidirin’ny fitsarana am-ponja. Mbola maro ireo fitakiana saingy tsy nisy aloha ny tena tanteraka fa dia hodian’ny fanjakana tsy fantatra, ka tsy hay izay fanapahan-kevitra henjana horaisin’ny SMM ato ho ato.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT