Actualités

Fanjakana sy ny mpitsara Vao mainka hihenjana ny tady ?


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Hiverina handray ny asany ny fitsarana taorian’ny roa andro nanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany manoloana ny fitsabatsabahana ataon’ny manampahefana isan-karazany ny asan’ny fitsarana.

 

Na naneho aza ny minisitry ny fitsarana fa misokatra amin’ny adihevitra, dia toa tsy te hahalala izany intsony ny SMM, ary nanome tsiny ity minisitra ity mihitsy. Nametraka fepetra miisa 3 mihitsy aza izy ireo, ka ny fahatanterahany no antoky ny hisian’ny fifampiresahana. Voalohany ny fampidirana am-ponja an’i Claudine Razaimamonjy, ny fampihantsoan’ny fitsarana ny loholona Riana Andriamandavy VII, ny fifonana ampahibemaso ataon’ireo loholona sy depiote ary ben’ny tanàna voalaza fa nanitsakitsaka ny hasin’ny fitsarana. Hanaiky mora an’izany ve ny fanjakana HVM, izay manao ronono an-tavy lava amin’ny hoe hampanjakana ny tany tan-dalàna ? Ho vitan’izy ireo ve ny hampiditra am-ponja marina an’I Claudine Razaimamonjy, izay efa nihoatra lavitra ny fe-potoana voafaritry ny lalàna, izay 45 andro ny nitsaboany tena? Raha vonona tamin’izany ny fanjakana HVM, dia efa ela no naiditra am-ponja ity farany, ka sarotra no hino fa hanaiky mora foana an’izany izy ireo. Efa mazava tamin’ireny fanehoan-kevitra isan-karazany nataon’ny fanjakana ireny ny fiarovana ity ramatoa ity, izay mpiray afera amin’ny fanjakana ary mpanolotsain’ny filoha no nahalalan’ny maro azy na dia efa niala bala tamin’izany aza ny filoham-pirenena, izay miezaka mamadi-dresaka tsy te hihevitra ity raharaha ity. Ny resaka mandeha amin’izao aza dia hoe hatao izay hampivalona ny dosie Claudine Razaimamonjy, ka tsy hay na hanaiky lembenana an’izany ny SMM na ahoana. Tsy fantatra mazava ihany koa izay fepetra horaisin’izy ireo raha tsy tanteraka ny fitakiany ny hanatanterahana ny didy famonjana vonjimaika, izay efa hatry ny ela. Vao mainka hidingin-drambo ny HVM ary tsy hanaiky velively ny hanagadrana ity olony ity. Ny SMM rahateo tsy tena mihenjana sy mampihatra ny fahefana ara-dalàna ananany matoa tsy fitan’izy ireo mandrak’ankehitriny ny nampihatra ny didy famonjana vonjimaika.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT