Actualités

Fanjakana sy ny Mpitsara Ady tsy mety vita


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Nanomboka omaly ny fitokonana nataon’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), izay efa manomboka hita fa miteraka fitarazoana eo amin’ny asam-pitsarana manerana an’I Madagasikara.

Nanaraka ny lamina amin’ny hampiatoana ny asany avokoa ny mpitsara tany amin’ny faritra nanerana ny Nosy. Nisy tamin’ireo mpitsara ny nisafidy ny nampahafantatra teny amin’ny fitsarana tamin’ireo manan-draharaha ny fihemoran’ny fitsarana sy ny daty vaovao hanaovana izany ny nanao ny asany ho an’ny teto Antananarivo, raha ny fanazavan’ny Filoha lefitry ny SMM Clément Jaona. Maro tamin’ireo olona nanana raharaha teny amin’ny fitsarana kosa no diso fanantenana noho ny fahalanian’ny fotoana sy ny vola. Tsy mbola nisy ny fanehoan-kavitra sy ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana manoloana izao toe-javatra izao. Ny minisitra mpiahy aza moa tsy eto an-toerana fa nampanantsoin’ny Vaomieran’ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana noho ireo zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny eto amintsika, toy ny tsy fanitsakitsahana sy fanatanterahana didim-pitsarana, tsy fanajana zon’olombelona isan-karazany. Manamafy hatrany ny SMM fa tsy hilefitra raha tsy mahazo antoko mazava amin’ny tsy hisian’ny teritery sy ny fitsabatsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny asan’ny fahefam-pitsarana. Mila ampifanarahana amin’ny lalàna mihitsy izany antoka izany mba hisian’ny fanajana azy tokoa. Tsy mbola nisy hatreto ny valin-teny avy amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra na dia efa nandefasan’ny SMM taratasy aza izy ireo. Fanaovana be marenina tsotr’izao sa mitohy ny fananganana ady amin’ny mpitsara?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT