Tsapa ho tratry ny antsojain’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny fiangonana katolika, raha dinihina ny zava-niseho tato ho ato, izay toa manamafy ny efa nisy tany aloha. Mahatsapa ho tsy mahazo rirany amin’ity fiangonan-dehibe ity angamba ny fanjakana, ka toa miseho ny endrika antsojay na filam-baniny samihafa mivantana na ankolaka.
Tsy hay, ohatra, na misy ifandraisany tamin’ny fanasan'ny Fiangonana Katolika an'i Andry Rajoelina tao Soavinandriana nanatrika ny faha-115 taonan'ny fiangonana tao an-toerana ny 8 aprily lasa teo, fa nisy ny endrika sakantsakana nataon’ny fanjakana nandrarana ny hetsika samihafa tany an-toerana, ka na ny lanonana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy teo ambany fikarakaran’ny fiangonana tany an-toerana aza, dia nahitana izany sakantsakana izany ny herinandro teo. Fifandrifian-javatra ihany sa hampidirana resaka politika noho ny fifampialonana? Tany Vohipeno ny faran’ny herinandro teo ihany koa, dia toa takona tanteraka ny filoha am-perinasa mitaha ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Ny Filohan’ny tetezamita rahateo aza moa dia niray fiaramanidina tamin’ireo delegasionin’ny fiangonana sy lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny fiangonana katolika. Ny filoha teo aloha nihaona manokana sy nifampitakosona tamin’ny Fianakavian’i Lucien Botovasoa. Mivoaka ny feo fa tsy nahafaly ny filoha mihitsy ny tsy nampandraisana fitenena azy tany Vohipeno. Resaka finoana ireny, saingy mety hitsidika kely ao an-tsain’ny maro foana ny politika rehefa mahita ireny oloben’ny fanaovana politika eto amin’ny firenena ireny ny vahoaka. Nitohy tany Fianarantsoa tamin’ny saika handrarana ny atrikasa nasionaly notarihin’ny K3F ny endrika antsojay satria dia mbola nisy ny romoromo tamin’ny famoahan’ny mpitondra naoty nandrarana iny “dinika fanarenam-pirenena tena izy” iny, saingy rehefa niditra an-tsehatra nifampiraharaha ny Mgr Fulgence Rabenirina, dia navela ihany. Efa notemerina mpitandro filaminana ny Kolejy Saint François Xavier ao Ambatomena Fianarantsoa nialohan’ny atrikasa lehibe. Tsy vao izao no nisian’ny toe-javatra toa mampisy elanelana eo amin’ny katolika sy ny fanjakana, fa tsaroan’ny rehetra tsara ny fidirana an-tsehatry ny Fivondronam-ben’ny Eveka tamin’ny raharaha Soamahamanina ny taona 2016, izay nanohanany ny vahoaka tany an-toerana nanohitra ny fitratrahana harena nataon’ny sinoa, saingy tsy dia nasian’ny fanjakana vidiny. Ny kihana momba ny fanjakan’ny fahalovana sy ny kolikoly moa efa maro, ary nisy ny niarahana tamin’ny FFKM. Tsy levon’ny vavonin’ny fanjakana ve ireny ka miafara amin’ny antsojay sy fihantsiana ady sa fifandrifian-javatra ihany ny zava-miseho?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.